Randrianirina Jean Ignace: “Miasa mangina ny antoko politika amin’izao”

Aiza ho aiza ny antoko politika eo amin’ny tontolo politika amin’izao? Mihamahazo vahana miandalana ny mahaleo tena na tsy miankina… Maneho ny fijeriny ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Dinidinika.

Gazety Taratra (*): Nahoana ny antoko no tsy miantsehatra firy amin’ny tontolo politika?
Randrianirina Jean Ignace (-): Miasa mangina ny antoko politika amin’izao, tsy miantsehatra amin’ny fifidianana. Inona ny antony? Teo ny lalàna napetraky ny fanjakana tamin’ny 1991. Taty aoriana, nezahina ny hampangina ny antoko: tsy manam-bola, tsy mahavita latsakemboka ny mpikambana. Nohenjanin’ny fanjakana tamin’ny anto-bola sy fampiasam-bola koa ny fanaovana politika eto. Eo ny fampidirana mpandraharaha hanao politika. Resa-bola izay fa tsy ideolojia. Tamin’ny 1991 no ho mankaty, navelan’ny FFKM handeha irery ny mpanao politika rehefa vita ny fihaonambem-pirenena. Tsy nisy intsony ny mpanara-maso, dia nanao gaboraraka izay nahazo fanjakana. Nadikan’ny olona hoe mpangalatra ny mpanao politika, manao izay hahazoany seza fa tsy mijery ny fiainam-bahoaka… Na izany aza, manana ideolojia hatrany izahay.
* Ahoana ny hanarenana an’izay sy ny hoavin’ny politika?
– Ny fanadiovana tokotanim-politika… Ny antoko miditra amin’ny politika toy ny tsy manana ideolojia, fa fananganana rafitra dia mijanona eo. Izay no hanadiovana ny tokotanim-politika aloha. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena amin’izao, fa vitsy loatra ny olona mandray anjara amin’ny fifidianana. Misy lalàna tokony hapetraka izany, azo iadian-kevitra. Tsy ny tsy fetezan’ny Ceni, ohatra, no hamerenana ny fikarakarana fifidianana any amin’ny Atitany. Ahoana no hanatsarana ny Ceni, ny hampidirana ny mpanao politika amin’ny fanisam-bato? Tsy vita vetivety ny fanaovana demokrasia.
Ho anay mpanao politika miaina sy mandalina isan’andro ny politika, misy ny fanantenana ny hoavy. Azo antoka izany. Miankina amin’ny mpanao politika heverina fa matsilo izay. Matetika ny mpanao politika tonga eo amin’ny fitantanana, tsy manana foto-kevitra mazava hitondrany ny firenena. Ny tena mpanao politika, mazava be ny fomba fiasany amin’ny fananganana governemanta, ohatra, na rafitra sy fampandrosoana. Tsy izany no iainana izao: tsy natao hanao politika ireo manolotra CV, fa fitantanana firenena ny politika.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: