Antony iray mahatonga ny Malagasy « hitsingevana » amin’izay rehetra ataony, ny tsy fahalalana ny tantara. Mitombo isa miandalana, ohatra, ny Malagasy tsy mahafantatra akory ny tanin-drazany fa mialokaloka hatrany amin’ny hoe : « Malagasy aho, noho izany, Madagasikara no tanindrazako ». Tsy diso, saingy, tsy ampy. Ao koa ireo tsy manana intsony ny ambanivohitra na ilay vohitra nipoirana sy nonenan’ny razany.
Na ny fahafantarana sy ny fananana ireo fotsiny aza, efa fototra lehibe ahafahana mamaly ny fanontaniana « iza moa aho » ? Ny tsy fahavitan’ny Malagasy tsirairay mamaly io fanontaniana io no tsy mampitohoka ny olana sy ny vahaolana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny tsy tokony hamaha ny olana no manao izany. Ny tokony hanolo-tsaina, mangina, sns.
Nanampy trotraka ireo tsy fahalalan’ny Malagasy tsirairay ireo ny nataon’ny vahiny. Nosoratany tamin’ny teniny ny tantaran’i Madagasikara. Ireny avy hatrany no nampitaina tamin’ny taranaka Malagasy. Tantara niniana nodisoina. Natao hanehoana fa « tsara fanahy ny vahiny». Natao hamonoana hasina sy hamingavingana ny soatoavina malagasy ka nilazana sy namadihana ny fahalalana ho finoana, sns.
Ny ampahana Malagasy sasany indray, minia mandiso ny tantarany… Mamita-tena?
HaRy Razafindrakoto