Rivodoza Dikeledi: mbola mitondra tafiotra mahery, miha manalavitra ny morontsiraka

Omaly tolakandro, tany amin’ny 228 km andrefana somary atsimo andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i Dikeledi. Lasa Cyclone tropical indray izy ka niakatra ho 130 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 180 km isan’ora manakaiky ny foibeny.

Nikisaka haingana nianatsimo somary atsimo atsinanana izy ka nahafaka 38 km isan’ora. Mandalo any amin’ny manodidina ny 180 km miala ny morontsiraka atsimo andrefana, nanomboka omaly tolakandro sy nandritra ny alina. Hanalavitra ny morontsiraka atsimon’ny Nosy hatrany izy manomboka anio vao maraim-be. Tombanana hitondra rotsakorana betsaka amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana izy mandritra ny alina, ka mety hiteraka fiakaran’ny renirano, tondradrano amin’ireo toerana marefo, ranotrambo sy fihotsahan’ny tany. Nahazo filazana loza manambana, miloko mavo, ny distrikan’i Morombe, Toliara I-II, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe. Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Taolagnaro tsy hiandriaka in­tsony mandra-pahalasan’ny loza.
Tombanana hihena miandalana ny fatran’ny rotsakorana any amin’ny faritra tsy voakasik’i Dikeledi ka foana ny fampitandremana mahakasika ny fahabetsahan’ny rotsakorana.
Tombanana ho mafy ny rivotra any amin’ny morontsiraka afovoany sy atsimo an­drefana ary atsimon’ny Nosy, noho ny fandalovan’ilay rivodoza manakaiky ny morontsirak’i Madagasikara. Ho mafy ny rivotra ka hananika ny 70 km isan’ora ho an’ny morontsirak’i Melaky, Menabe ary Anosy. Hanodidina ny 120 km isan’ora any amin’ny moron­tsiraka atsimo andrefana sy Androy. Manan-kery hatra­min’ny anio ny fampitandremana miloko mena ho an’ny morontsiraky ny faritra Mela­ky, Menabe, Atsimo Andre­fana, ary Androy sy Anosy.
Hikorontana koa ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka afovoany sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy mandritra ny fandalovany.
Hahery be ny ranomasina sy hisamboaravoara manakaiky ny morontsiraka atsimo andrefana ka nahazo fampitandremana miloko mena manomboka eo amin’ny tanjona Ankaboa hatrany Taol­agnaro.
Momba ny takaitran’i Di­keledi, any avaratra, 7 028 ny isan’ny traboina, avy amin’ny tokantrano 2 284.

Vonjy

Partager sur: