Fankatoavana ny fahaiza-manao vokatry ny traikefa ho an’ny talen-tsekolim-panjakana ny tetikasa VAE-DE. Lalana sy fitaovana iray entin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fibeazana, indrindra ny tantsoroka ara-pedagojika amin’ny fanomezan-danja ny asan’ny sekoly izany.
Taorian’ny fanofanana ireo mpisehatra sy ny fivahinianana ho fifanakalozana fahaiza-manao tany Frantsa, notanterahina ny volana novambra tamin’ny taon-dasa, ny fampivondronana ho famolavolana ny boky fanofanana ireo talen-tsekoly miasa amin’ny sekolim-panjakana. Sady fanofanana no famolavolana ho
amin’ny rafi-panofanana fototra sy mitohy ho an’izy ireo no natao tamin’izany.
Efa natao ny faran’ny taona ny tombana sady namaranana ny fanofanana. Tanjona ny hahatontosa antsakany sy andavany ny andrana ary avy eo ny fivelaran’ny tetikasa VAE-DE eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Betsaka ny dingana vita tamin’ity tetikasa ity. Haneho ny fahatsapany ny dingana natrehiny avy ireo mpisehatra. Hijery ny mpiadina mandritra ny fanatanterahana ny asany no dingana manaraka. Ny mpanao tombana no hitsidika ny sekoly, hanombana ny fahaiza-manaon’ny mpiadina nanomboka tamin’ity volana janoary ity.
Tatiana A