Misakana ny tsy fisian’ny rano any amin’ny lemaky Bevoay ny fasika be loatra, fa tsy ny tetikasa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky velively. Tsikaritra izany nandritra ny fidinana ifotony, tany an-toerana, nataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny alatsinainy 13 janoary teo. Vahaolana nangatahin’ny lehiben’ny distrika Morombe ny hanakisahana ny lalan’ny renirano, mba ho tombontsoan’ny tantsaha mpamboly. Hisy dinika hamahana ny olana ataon’ny fanjakana sy ny orinasa CRCC, manamboatra ny tetezana Mangoky.
Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo olona miisa 6, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana tavy, ka nampirehitra ny ala tao anatin’ny faritra arovana Andohaela, faritra Anosy, ny 10 janoary teo. Miisa 4 ihany koa ny olona voasambotra tamin’ny fandoroana ny ala any Ampasy Nahampoana, faritra Anosy.
Manamafy ny Jirama fa fahasimban’ny fitaovana no mahatonga ny fahatapahan-jiro amin’izao fotoana izao, fa tsy delestazy na fanapahana herinaratra mifandimby. Anisan’izany ny fahasimban’ny milina teny amin’ny toby Ambodivona, ny talata teo, nahatonga ny fanapahana ny herinaratra tamin’ny faritra maro ary mbola nisy koa omaly alarobia.