Baolina kitra, sokajy vehivavy: mbola baraingo ny fifaninanana nasionaly

Matetika resahina eto an-toerana foana ny resaka baolina kitra, lehilahy, saingy efa misongadina ihany koa ny sokajy vehivavy amin’ity ta­ranja ity. Mampalahelo ihany anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao, toa tsy misy resaka intsony ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ireo vehivavy, U-17, sy zokiny, Séniors.
Tsiahivina fa ny volana oktobra 2024 lasa teo no nifarana ny dingana voalohany tamin’izany. Mitaraina ireo klioba nandray anjara tamin’ity fifanintsanana nasionaly ity fa toa lasa ankilabao tanteraka ny fifaninanana ho an’ireto andriambavilanitra ireto. Ara­ka ny fanadihadiana natao, misy amin’ireo ekipa no mampivondrona ny mpilalao sy manomana ny fanazarantena toy ny mahazatra raha toa ka nampiato izany tanteraka kosa ny sasany.
Tsara ny mampahafantatra fa avy amin’ireo klioba nifanintsana tamin’ny fifaninanam-pirenena teo ihany no nahazoana ireny vehivavy mpilalao nandrafitra ny Barea niatrika ny Cosafa zokiny sy U17 ireny. Hatramin’ny oma­ly, tsy nisy fanambarana na vaovao milaza momba ny mety ho tohin’ity lalao ity avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).

F.R

Partager sur: