Beach-volley-Afrika: hatao any Mahajanga raha tsy misy fiovana

Fifaninanana iraisam-pirenena maro no miandry ny Federasiona malagasin’ny volley-ball, amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, beach-volley izay kasaina hatao eto Madagasikara, raha ny fandaharam-potoana navoakan’ny federasiona. Any Mahajanga no hanaovana ity fifaninanana afrikanina ity, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa eo am-pandinihana ny mahakasika ny fahafahan’i Madagasikara mandray io fiadiana ny tompondaka io, ny eo anivon’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny volley-ball amin’izao. Tsiahivina koa fa efa nandray fifaninanana ho an’ny eto anivon’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, tamin’ny taon-dasa, izay natao tany Mahajanga. Firenena rahavavy 2, i Comores sy i Mayottes no tonga teto, tamin’izany ary azo lazaina ho nizotra araka ny tokony ho izy ny lalao. Mahakasika ireo fifaninanana iraisam-pirenena hafa kosa, any Maorisy no hanaovana ny “CCCC Zone 7”, ny 1 hatramin’ny 8 marsa izao. Any Lybie no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy lehilahy, hatao ny 17 hatramin’ny 30 avrily.

Mi Raz

Partager sur: