Fidirana amin’ny LTP: nisokatra ny fisoratana anarana

Nisokatra ny 13 janoary lasa teo ary hikatona ny 21 marsa 2025 ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana hidirana ho taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika manerana ny Nosy, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 19 sy ny 20 jona ny fanadinana fifaninanana ho an’ireo nisoratra anarana. Sivy ny sampam-piofanana azon’ny tanora hisafidianana eny anivon’ireo Lycée teknika rantovina. Ao ny fambolena sy fiompiana, art et téchnique, zaitra, industriel, tertiaire, ny fizahantany, ny fandraisam-bahiny ary ny fampisakafoana. Manampy ireo ny FTG industriel, FTG tertiaire ary ny FTG genie civil.
Mizara roa ny sokajy. Natokana ho an’ireo manana ny mari-pahaizana BEPC ny FTG raha ho an’ireo manana fari-pahaizana mitovy lenta amin’ny kilasy 3ème ny FPI.
Ho an’ny fanadinana ahazoana ny Brevet d’études professionnelles (BEP) kosa, hisokatra ny 20 janoary ny fisoratana anarana ary hikatona ny 21 marsa. Hotontosaina ny 30 jona ka hatramin’ny 3 jolay ny fanadinana. Mitovy amin’izay koa ny fotoana handraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo haka ny mari-pahazaina Certificat d’aptitude professionnelle. Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 10 jolay ny fanadinana momba ny CAP.

Vonjy

Partager sur: