Natao omaly ny famaranana ny fotoam-pitsarana 2024 sy ny fanombohana ny taom-pitsarana 2025. Misy ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsindry isan-karazany.
“Aleo mba hiala ny fitsabatsabahan’ny havana sy ny manampahefana sasany, fa tsy ny rehetra, amin’ny raharaham-pitsarana”, hoy ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rajoelina Yves Hugues, teny Anosy, omaly, taorian’ny lanonana famaranana ny fotoam-pitsarana 2024 sy ny fanombohana ny taom-pitsarana 2025. Ezaka atao amin’izao ny ady amin’ny kolikoly, araka ny fanambin’ny minisitry ny Fitsarana. Eo koa ny ady amin’ny tsindry. Hisarihana ny mpitsara rehetra hanao ezaka amin’ny fanovana toetra sy toe-tsaina amin’ny fiadiana amin’izay kolikoly sy tsindry izay. Efa misy ny fanenjehana mpitsara sasany amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Fantatra tamin’ny tatitry ny asa taona 2024 kosa, tamin’ny lanom-pitsarana, fa 59% ny tahan’ny voafonja vita fitsarana raha oharina amin’ireo miandry fitsarana. Ambony izany mitaha tamin’ny taona 2023 izay 52%. Nahitana trangana halatra sy fikasana hangalatra 203 ary antontan-taratasy 821 niditra tao amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI), Antananarivo, ohatra, nandritra ny novambra sy desambra. Nefa tamin’ny taona 2024, nandritra ny volana novambra sy desambra, nahitana trangana halatra sy fikasana hangalatra 415 ary antontan-taratasy niditra 1 526. Nitombo efa ho avo roa heny ny fanaovana heloka. Nitombo, araka izany koa, ny olona naiditra am-ponja. Izay no antony fiakaran’ny tahan’ny voafonja mbola tsy voatsara tamin’ny faran’ny taona. Miisa 710 kosa ny mpitsara misehatra eny anivon’ny fitsarana isan-tsokajiny. 296 ho an’ny TPI rehetra. 64 187 kosa ny antontan-taratasy niasana teo amin’ireo fitsarana ireo nandritra ny taona 2024. Raha atao ny salanisa, mandray antontan-taratasy 334 avy ireo mpitsara. Tafahitsoka ihany indraindray ny asa noho izay olana izay, ohatra. Marihina fa natao omaly koa ny fianianan’ireo solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny Fitsarana tampony.
R. Nd.