Miverina ho maina tsikelikely ny andro nanomboka omaly ary ho maina tanteraka amin’ny faran’ny herinandro sy ny fiandohan’ny herinandro ambony io, ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Hisy fiakarany misongadina ny maripana ambony mandritra ny faran’ny herinandro. Tombanana hanodidina ny 27°-30°C izany raha ho anelanelan’ny 19°-20°C kosa ny maripana ambany.
Omaly maraina, tany amin’ny 381 km atsimo somary atsimo andrefan’i Faux Cap no nisy ny foiben’i Dikeledi. 170 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 240 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka haingana nianatsimo atsinanana izy ka nahafaka 31 km isan’ora. Manalavitra ny morontsiraka hatrany izy. Mety mbola hitohy ny rotsakorana ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana, ato anatin’ny roa andro manaraka. Hisy ny fampitandremana momba izany raha toa ka ahina ny hadiriny fa foana ny filazana loza mahakasika ny rivodoza.
Nohavaozina vonjimaika ireo takelaka simba mandrafitra ny tetezana Ivato Ambositra, ao amin’ny teboka halaviran-dalana PK273+800 amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Ny DRTP Amoron’i Mania no nanatanteraka ity asa maika ity, mba hisorohana ny loza mety hitranga sy hiantohana ny fiarovana ny mpampiasa lalana. Efa miverina amin’ny laoniny kosa ny fifamoivoizana any an-toerana.
Ny sabotsy 8 febroary izao, ao amin’ny Ekar Soanierana, ny sorona masina hametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Antily vaovao eto amin’ny diosezy, hatrehin’ny mpikamban’ny Antilin’i Madagasikara rehetra. Entina ny Jaka fa amin’io ihany koa no hifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao…