Jiolahy mitam-piadiana nitondra moto nandroba vola 4 tapitrisa Ar an’ny teratany karana tetsy Ambodivona, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany ny raim-pianakaviana izay mpamily ka maty.
Nanararaotra fitohanana, namoaka fitaovam-piadiana teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy nandroba vehivavy teratany karana teny Ambodivona, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nandalo ny lalam-bato avy any Ankorondrano mihazo an’Ambodivona, narahina jiolahy nitondra moto io fiara nisy ilay karana io. “Telo lahy ireo jiolahy ka nandeha moto miisa roa”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao eo anivon’ny polisim-pirenena. Namoaka fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany ny iray ka nanambana ilay teratany karana nipetraka tao amin’ny seza aorian’ny fiara. “Baoritra nisy savony ny iray ary nisy vola 4 tapitrisa Ar ny iray”, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny sampandraharahan’ ny polisy misahana ny fanadihadiana. Nalain’ireo olon-dratsy io vola io. Tsy vitan’izay, narefotry ny iray tamin’ireo tsy valahara ny basy teny aminy. Voa teo amin’ny tratrany ilay mpamily. Nivoa-dra ity farany raha toa ka nandositra tamin’ ny moto ireo jiolahy. “Azon’ny camera avokoa ny zava-niseho tamin’io fotoana io”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ ny polisim-pirenena.
Tsy tana ny ainy
Very ra be loatra, nentina teo anivon’ny toeram-pitsaboana tsy miankina “Espace Medicale” ilay mpamily lasibatra. Nananosarotra ny fahavoazany vokatry ny tifitra ka voatery nentina namonjy ny HJRA Ampefiloha. “Tsy avotra intsony izy rehefa tonga teny an-toerana”, hoy ny fanazavana voaray. Nidina ifotony nanao ny fanafihadiana lalina momba io tranga io ny polisy. Voamarina tamin’ny horonantsary fa tsy nisy nisaron-tava ireo mpandroba saingy nanao aroloha fampiasa amin’ny moto. Nentina hanaovana fanadihadiana ny piti-bala nampiasain’ireo tsy valahara.
Ankoatra io, valo lahy ireo efa arahi-maso akaiky mahakasika ny fanafihana ny toeram-pivarotana Cosmos teny Nanisana amin’izao fotoana. Anatin’ny fikarohana tanteraka ireo olona ahina ho nandroba vola teny an-toerana, roa herinandro lasa izay, ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.