Maty vokatry ny herisetra nataom-badiny azy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Analabe, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, ny 15 janoary 2025 teo. Nahazo antso ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisiana vonoan’olona niniana natao tao amin’io fokontany io. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary nanao ny fitsirihana ka voamarina tokoa ny fisian’io vonoan’olona feno habibiana io. Marihina fa miala 40 km ny renivohitry ny distrika io toerana io, izany hoe, ora efatra raha mandeha moto. Any amin’ny fizaram-paritra manaraka ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana sy Vavatenina. Tao anatin’ny angom-baovao tao an-tanàna no nahafantaran’ny zandary fa nanana olana momba ny tokantrano izy mivady. Raikitra ny fifamaliana teo amin’izy ireo. Tsy nahazaka izany ilay raim-pianakaviana ka nanao herisetra tamim-badiny. Niafara tamin’ny famoizan’aina anefa izany. Voalazan’ny mponina fa matetika manao herisetra amin’io vadiny io ity rangahy ity rehefa misy zavatra tsy ifankahazoan’izy mivady. Nitsoaka ilay rangahy nahavanon-doza ka mbola ao anatin’ny fikarohana azy ny zandary. Nentin-katezerana manoloana izao raharaha izao ny mponina teo an-tanàna saingy nilamina ihany tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.
J.C