Tao anatin’ny taona maro, mbola mitady ny very hatrany ny Malagasy. Maro loatra ny very ka saro-tadiavina ? Malalaka loatra i Madagasikara ka tsy maintsy manketsy sy mankaroa ?… Fa ankoatra izay ?
Tononkira iray anisan’ny nalaza fahiny ny hoe : « Imanga no natsoina, Iako no mamaly! Nankaiza Imanga havako? ». Ankehitriny, tsy Imanga irery ihany no tsy hita ary tsy Iako irery intsony no namaly. Vao niverina tamin’i Madagasikara ny Faha-leovantena, nanomboka nitady ny very ny Malagasy. Fomba amam-panao, kolontsaina, rafi-piarahamonina, fomba fanabeazana, sns. Samy nikarohana ny tena an’ny Malagasy avokoa… Saingy, hatramin’izao, sady tsy tafaverina izy ireny no mbola misandoka ny an’ny hafa ihany koa Ramalagasy.
Misy manakona ny mason’ny Malagasy? Na ny fahaverezana faran’izay bitika indrindra aza, tsy hitany, vao mainka ireo goavana. Nanjary tsy hain’ny Malagasy fa nanana ireo razana nipoirana izy. Nanana ny naha izy azy ireo razany ireo. Rehefa nisy nanakona ny masony, niantsampy tany amin’ny razan’ny hafa izy.
Ireo manakona no mila esorina?
Mba tsy ho lany fotoana amin’ny fitadiavana ny very. Ireo manakona no mila esorina? Ny mpanjakazaka an-tanin’olona no anisany nanakona voalohany ny momba ny Malagasy. Tsy efa niala ve izy ireo taorian’ny namerenany ny Fahaleovantenan’i Madagasikara? Eny, saingy, namela mpandimby. Noho izany, ireo no mila esorina eny amin’ny fiarahamonina?
Tsy azo azera any amin-dry zareo irery anefa ny rihitra fa matoa mbola eo am-pitadiavana ny very ny Malagasy tao anatin’izay 65 taona izay, misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny ao. Na, mbola voatampi-maso tokoa ka tsy mahatazana ny very, na minia mikimpy.
Tsy azo hadinoina, anefa, fa niaraka tamin’ireo forongony ny mpanjakazaka an-tanin’olona raha nanao amboletra niditra teto Madagasikara. Anisan’ireny ny fivavahany, ny finoany, ny teniny, ireo fomba amam-panaony… Mbola manakona ny fahitan’ny Malagasy avokoa ireny. Mila esorina? Amin’ny fomba ahoana?
Tsy miandry famatsiam-bola avy any ivelany ny fampahafantarana amin’ny taranaka fa Malagasy izy, azy i Madagasikara sy ny momba azy rehetra. Sahaza azy ireo nomen-Janahary. Noho izany, mila miaina sy manome hasina azy ireo.
HaRy Razafindrakoto