Tonga nitsidika ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Moustapha Marson Abdulah. Nambarany fa eo am-pamitana ny raharaha mahakasika ny mpanazatran’ny Barea ry zareo amin’izao fotoana izao.
Taon’ny asa tokoa ity 2025 ity. Nampanantena ny minisitry ny MJS, Moustapha Marson Abdulah, omaly, teny Mahamasina, fa hivoaka alohan’ny faran’ny volana janoary ho avy izao ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitantana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Araka ny filazany, mbola eo am-pandinihana ilay teknisianina tena manana vina tsara hampandroso ny baolina kitra malagasy izy ireo, ankehitriny.
Raha ny fanazavana voaray teny an-toerana, maro ny adidy miandry ilay mpanazatra hotendrena. Ankoatra ny vokatra tsara andrasana aminy, andraikiny ihany koa ny mijery sy manara-maso ireo mpilalao solofo handimby eto an-toerana, mba hahafahan’ny Barea manana mpilalao tsara amin’ny taona ho avy.
Nodisoin’ity mpitantana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity kosa ny filazana fa ny resaka karama sy ny tambin-karama no mampikatso ny famoahana ny anaran’ilay mpanazatra ny Barea. Notsiahiviny moa fa sambany ny Malagasy no nanaraka ny fepetran’ny Fifa tamin’ny fanendrena ny mpanazatrana ny ekipa nasionaly. “ Mpanazatra dimy sisa no hanaovana sivana. Hatao Malagasy ny mpanampy ny mpanazatran’ny Barea, satria an’i Madagasikara ny Barea. Natao moa izany mba hampitombo ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina eto an-toerana”, hoy ny minisitra Moustapha Marson Abdulah.
Vita ireo zavatra notakin’ny Caf
Nanararaotra nitsidika ny Kianja Barea Mahamasina ny minisitra, omaly. Hita teny an-toerana fa efa vita avokoa ny bozaka, efa malalaka tsara ny toeram-piomanan’ny mpilalao. Efa mitsangana ny tohatra fanampiny ahafahan’ireo mpijery mivoaka ny “gradins”. Nambaran’ity lehiben’ny MJS ity, fa efa azo antsoina amin’ny volana febroary ho avy io ireo “Inspecteur Caf”.
F.R