30 000Ar ka hatramin’ny 70 000ar eo ho eo ny saran’ny fampianarana dihy ao anatin’ ny ora iray sy sasany. « Na tsy hampanan-karena aza, azo ivelomana ny dihy, raha ireo tarehimarika ireo no iaingana », hoy ny mpampianatra dihy. Mitovy sy tsy manalavitra ireo ihany koa ny karaman’ny mpandihy rehefa manaingo lanonana samihafa. Hatramin’izao, anefa, mbola tsy mahazo ny toerana araka ny tokony ho izy ny dihy, raha ny fanazavan’ireto mpampianatra sy mpandihy ireto hatrany.
Tsy mbola ampy ny toeram-pampianarana dihy. Mitangorona eto an-dRenivohitra ny ankamaroany. Mbola voafetra be ihany koa ny dihy ianarana any amin’ireny. Saika ny dihy vahiny fanao any amin’ny lanonana isan-karazany no be mpitady, raha ny fanazavan’ ireto mpampianatra ireto hatrany. Nohamafisin’izy ireo fa : « misy ao anatin’ny 1 volana no hianarany dihy miisa 3, satria, hono, hatao raharaha ny zanany ». Tranga izay nambaran’ izy ireo fa tsy mametraka loatra ny maha dihy (fitaizana, fahasalamana, fanabeazana…) ny dihy fa karazana vonjitavanandro fotsiny ihany.
HaRy Razafindrakoto