Nisy ny tranga fanolanana nataon’ny rainy amin’ny zanany vavy tao anatin’ny 19 taona ka nandraisan’ny mpitandro filaminana andraikitra. Manoloana izany, naneho hevitra ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, tao anatin’ny pejiny manokana amin’ny tambajotran-tserasera.
“Amin’ny maha reny ahy, tena marary ny fo mahita ity tranga mampivarahontsana ity. Ity tantara ity, tsy manambara fotsiny ny habibiana mamoafady ara-batana fa koa ny ratram-po sy ny fahavoazana ara-tsaina tsy takatry ny saina”, hoy ny nambaran-dRajoelina Mialy. Nohazavainy koa ny endrika isehoan’ny herisetra ahafahana miaro sy misoroka. Voalazany fa endrika iray isehoan’ny herisetra ara-nofo ny fametavetana ankohonana “inceste” izay sarotra ny miresaka azy kanefa tena mila resahina. Io tranga io dia miseho rehefa ny mpikambana ao anaty fianakaviana no manao ilay fanararaotana ara-nofo amin’ny zanany na olona iray ao anaty fianakaviana ihany. Mety ho avy amin’ny raibe, ray, reny… havana. Mamoafady izany ary miteraka takaitra lalina ho an’izay niharany, araka ny fanazavany. Ny olona manao herisetra dia mampihorohoro, manambara fa fanehoam-pitiavana ny herisetra ataony ary milaza fa tompon’ny vatana, ny saina, ny fanahy an’ilay olona hanaovany herisetra. Matetika ireo izay niharan’ny herisetra dia tsy tompon’ny tenany satria efa nalentika anatin’ny sainy fa izy no diso. Mety nasesika ao an-dohany fa tsy maintsy andalovana no atao aminy ka heveriny fa toy izay avokoa ny eny amin’ny fiarahamonina.
Rehefa mitohy ny herisetra mandritra ny fotoana maro, miha mahery vaika izany ka mitarika famoizam-po sy famoizana aina mihitsy ho an’ilay niharan’ny herisetra.
Zava-dehibe ny mampahafantatra ny ankizy sy ny tanora hoe tsy tokony hisy fifandraisana ara-nofo na fihetsika tsy mendrika amin’ny ankizy sy ny mpikambana hafa ao anatin’ny fianakaviana. Mila atoro azy ireo ny foto-kevitra tsotra sy mazava ho fiarovana azy manomboka amin’ny fahazazany. Sarobidy ny vatana ka izy irery ihany no tompony. Zony ny mandà sy miteny hoe tsia, aza kitihina ny vatako. Nofaranany amin’ny hoe fantaro fa azo atao ny mitoroka!
Vonjy