Sombim-baovao

Efa ao anaty fanomanana tanteraka ny fihodinana faharoa amin’ny fifanintsanana « Afrobasket 2025 » amin’izao ny ekipan’ny Ankoay. Ny 21 hatramin’ny 28 febroary izao no hanataterahina ity fifaninanana ity eto Madagasikara, izay hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Hikarakara lalao ara-pirahalahiana na « Match de gala » eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ilay mpikarakara lalao any ivelany, frantsay, Tom Rocheteau, ny 26 marsa ho avy izao. Nilaza moa ity vahiny ity, fa ny vola rehetra izay voaangona amin’izany, entina hanampiana ny baolina kitra malagasy.

Notanterahina afakomaly, ny fifanaovan-tsonia teo amin’i Marco Ilaimaharitra, Malagasy mpilalao baolina kitra, sy ny kliobany vaovao KV Kortrijk, diviziona voalohany any Belgique. Tsiahivina fa efa fotoana maro izay i Marco no tsy nanana klioba nilalaovana ary antenaina fa hampiakatra ny fahaiza-manaony izao fahazoany klioba vaovao hilalaovana izao.

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, ny fanohanana ara-bola ny fifaninanana iraisam-pirenena hatrehin’ny Federasion’ny Karate-do malagasy, ny 24 hatramin’ny 26 janoary izao (Premier league), sy ny Serie A hatao ny volana febroary.

Partager sur: