Miisa 48 isan-kerinandro ny zotra amin’ny fiaramanidina eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Miisa 19 kosa ny any Nosy Be, ka ao anatin’ireo ny zotra iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana. Niampy roa kosa ny fiaramanidina ho ampiasain’ny kaompania Madagascar Airways. Tanjona ny hanampiana ny efa eo am-pelatanana hanatsarana ny zotra anatiny, satria tsy maharaka ny fitaterana ny mpandeha eto an-toerana sy ny vahiny avy any ivelany.
Miisa 195 000 ny tokantrano hampidirana herinaratra, ao anatin’ny tetikasa « Branchement mora ». Mahatratra 94 000 ny kaonteran-jiro efa tonga eto Madagasikara, ka efa voapetaka tamin’ny taona 2024 ny 63 000. Eo am-pamoahana any amin’ny seranan’i Toamasina ny 11 000 ambiny. Tsiahivina fa misitraka ny tetikasa « Branchement mora » ny tokantrano tena sahirana eto amintsika.
Hatao ny fampitahana ny tolobidy voaray, mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa vatsian’ny Tahirim-bola nampindramin’ny Federasionin’i Rosia. Anisan’ny hampiasaina amin’ity fampindramam-bola ity ny fividianana fitaovana fanadiovana, ny fitaovam-pamokarana sy fananganana fitahirizam-bokatra hanatsarana ny fambolena. Eo koa ny fitaovana amin’ny fitaterana an-dalamby sy ho an’ny asa vaventy, toy ny tetezamby, ohatra.