Iankinan’ny fiainan’ny maha olona ny fananana kopia nahaterahana. Izany indrindra no anaovan’ny boriborintany fahefatra ezaka manokana ho an’ireo ankizy ao an-toerana.
Nanao fizarana kopia faobe ny teo amin’ny boriborintany fahefatra, tamin’ity herinandro ity. Zaza iray volana hatramin’ny 17 taona, manodidina ny 1 613 no nisitraka izany. Mitontaly 5 764 kosa ireo hisitraka izany ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Maro ny antony mahatonga ny ray aman-dreny tsy mahavita nanao fanambaram-pahaterahana talohan’ny fe-potoana napetraky ny lalàna. Ao ireo teraka tany ambanivohitra ka tsy tafakatra any amin’ny kaominina mihitsy. Eo koa ny fahatapahan-dalana mandritra ny fotoana maharitra ka tsy nahafahana namita ny kopian’ny zaza teraka. Voatery mandeha fitsarana raha vao dila ny fe-potoana ka miteraka fahasahiranana.
Tsy afaka misitraka ny zo maha olom-pirenena azy ny ankizy tsy manana kopia nahaterahana ka izany indrindra no maha zava-dehibe ny fananana izany. Anisan’ny antontan-taratasy takina amin’ireo ankizy hiditra an-tsekoly ny kopia ka anisan’ny sakana tsy hahafahana mianatra ny tsy fananana izany.
Manampy amin’ny hahazoana antontanisa mazava ny kopia nahaterahana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. “Ho fitsinjovana sy fanampiana ireo zaza tsy manana kopia eto amin’ny tanànan’Antananarivo no antony nanaovana ny hetsika », hoy Ranalimalala Voahangy, delegen’ny boriborintany fahefatra.
“Ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo dia mirary ny hitohizan’ny fiaraha-miasa tahaka izao ho tombontsoan’ny mponina eto Antananarivo ary manainga ny hanitarana izany manerana ny Nosy», hoy i Alexandre Marie Georget, filohan’ny Delegasiona manokana an’Antananarivo. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) tamin’ny fanatanterahana ny asa.
Tatiana A