« Café – Histoire »: hampahafantarina ny Zafindraony

Hetsika voalohany hotanterahina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny «Café – Histoire» ny fampahafantarana ny Zafindraony. Hitondra ny velakevitra, anio, manomboka
amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Musée de la photo Madagascar, etsy Anjohy, i François Noiret, mpampianatra mpikaroka momba ny «anthropologie». Lohahevitra hoentiny amin’izany ny «Zafindraony any amin’ny faritry Betsileo, hira ho an’ny tolona, hira ho an’ny fiainana» (Chants de lutte, chants de vie – Les Zafindraony du pays betsileo).
Raha ny nambaran’ny mpikaroka, teo amin’ny taonjato faha-19 no nahitana fifampitsofohana ny hira zafindraony sy ny hira kristianina. Nanaraka izay ihany koa ny gadona tao anatiny. Na izany aza, mbola tsy nidiran’ny dihy sy zavamaneno izy tamin’izany. Voatazona hatramin’izao, izany.
Na nisy aza ny vanim-potoana lava nolalovan’ity karazan-kira ity, mbola maro ny mpanakanto sy ny lanonana ahenoina azy. Amin’ny ankapobeny, milaza ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina ny tononkira zafindraony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: