Fantina sy fintina

Nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, fa tsy azo atao tsinontsinona ireo vahoaka nifidy antsika. “Manantena sy miandry antsika handray andraikitra eo amin’ny kaominina misy antsika izy ireo”, hoy izy, omaly, manoloana izao toe-draharaha izao. Nanteriny fa mitohy ny tolona hamaranana izao fampahantrana sy famotehana ny firenena.
Nahavelombolo ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy teknika (PTF) ny fahavitan’ny fifidianana ben’ny Tanàna, araka ny tatitry ny fivoriana niarahan’izy ireo ta­min’ny eo anivon’ny Prezidansa, omaly. Niakatra 48% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy raha mitaha ny tamin’ny taona 2019. Niatrika izany ny avy amin’ny FMI, Bad, Pnud…
Nolavin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) ny fitorian’ny kandidàn’ny Firaisan­kina, ny Me Ravaka, ao Antsirabe I. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato vitsivitsy any an-toerana. Nangataka ny hamerenana ny fanisana ny vato koa izy ireo.
Tsy maintsy atsahatra izao fanapotehana ny firenena sy ny vahoaka izao, araka ny fanambaran’ny eo anivon’ny “Cellule de Crise – Diovy i Madagasikara”, afakomaly, tetsy Antsakaviro. Nanterin’izy ireo fa handray anjara amin’ireo diniky ny mpanohitra, hatao anio, izy ireo. “Mitaky ny fahamatoran’ny samy mpanohitra izahay”‘, hoy izy ireo.

Partager sur: