Tadindonin-doza vokatry ny fiakaran’ny rano tafahoatra, voatery nafindra toerana azo antoka ny sokatra miisa 12 000 ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, afakomaly. Ravan’ny rano tanteraka ny toeram-ponenan’izy ireo izay sahanin’ny « Turtel Survival Alliance na ny TSA”. Manoloana io ambana io, nandray fepetra ity vondrona tsy miankina misehatra amin’ny fiarovana ny sokatra tsy ho lany tamingana ity. Niara-nisalahy ny mpisehatra rehetra anatin’io vondrona io namindra ireo sokatra rehetra voakasiky ny fiakaran’ny rano. Azo antoka ny hiveloman’ireo biby ireo taorian’ny famindrana azy. Na izany aza, miantso ny malala-tanana, hifanampy amin’ny fikarakarana ireo karazam-biby ahina ho lany tamingana ireo ny tomponandraikitra any an-toerana. Haverina amin’ny laonina afaka fotoana fohy kosa, ny ivontoerana fonenan’ireo sokatra ireo rehefa miverina amin’ny laoniny ka tsy misy fiakaran’ny rano intsony. Tsiahivina, harem-boajanahary anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara raha ny sokatra.
Tsiferana R.