Afaka mankalaza ny «Taombaovao Malagasy» avokoa ny Malagasy. Fantatra fa ny 30 marsa izao izy io ho an’ity taona 2025 ity. Anisan’ ny zava-dehibe sady antom-pisian’ny Taombaovao Malagasy ny fidiovana sy hasina ary tsodrano. Ho an’ny lamina voajanahary, manomboka izao fotoam-pahavaratra izao ny fanadiovana hoentin’ny zavaboahary. Ho an’ny tsirairay, efa azo atao ny manadio ny fo sy ny saina ary ny fanahy. Toraka izany koa ny toerana rehetra (toeram-piasana, toeram-ponenana…) tiana hodiovina. Rehefa madio, miverin-kasina. Ny 30 marsa, mifampiarahaba ny rehetra. Mifampitsidika, mifampitsodrano, miaraka misakafo… Marihina fa an’ny Malagasy rehetra ny «Taombaovao Malagasy». Noho izany, tsy voafetra ho an’ny eto Madagasikara irery ihany,
Entanina ny sekoly
Tahaka ny natao tao anatin’izay fotoana nankalazana ny «Taombaovao Malagasy» izay. Entanina ny sekoly rehetra na ny miankina na ny tsy miankina (fanjakana, finoana…) hanamarika ity vanim-potoana lehibe ho an’ny Malagasy sy i Madagasikara ity. Ny 31 marsa sy ny 1 avrily, no hanatanterahin’izy ireo izany. Hampahafantarina ny ankizy sy ny tanora ireo fomba amam-panao niatrehan’ny Malagasy ny fidiovana sy ny famerenan-kasina ary ny tsodrano. Ny kolontsaina sy ny zavakanto nataon’ny Malagasy fahiny, sns. Miankina amin’ny fahafahan’ny sekoly tsirairay.
HaRy Razafindrakoto