Hotanterahina eto Madagasikara, ny 28 hatramin’ny 31 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, “ping pong”, sokajy lahy sy vavy. Manoloana izany, hikarakara lalao hahafahana mifantina mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny Federasiona malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT), ny 8 sy ny 9 febroary ho avy io, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina.
Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMTT, omaly, efa-dahy sy efa-bavy no isan’ny mpilalao hotsongaina amin’io fotoana io, raha toa ka enin-dahy sy enim-bavy no miatrika ny fifampivondronana. Ampahatsiahivina ihany fa nanjakan’i Madagasikara ity fifanintsanana ity ny taona lasa teo.
Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny lalaon’ olon-tokana lahy (L) sy vavy (V), Rakotoarimanana Fabio (L) sy Raharimanana Hanitra Karen(V). Voalohany teo amin’ny isan-tarika kosa i Madagasikara, nisy an’i Fabio sy i Antoine ary i Stephen, tamin’izany.
F.R