Herinandro fiaraha-mivavaka: hiteny ny raharaham-pirenena ny FFKM

Hotanterahina etsy amin’ny FLM, 67 ha, rahampitso, ny herinandro fiaraha-mivavaka iarahana amin’ny FFKM. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray fa hiteny sy hanana ny hambarany manoloana ny raharaham-pirenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy.
Raha tsiahivina, anisan’ny nivoitra tamin’ny fanambarana tany Morondava ny volana desambra teo taorian’ny Ko­mity foibe faha-46 ny antso avo ny tokony hiainan’ny rehetra ny fahamarinana. “Ny fa­hamarinana no manandratra ny firenena”, araka ny nambaran’izy ireo. Eo koa ny fampahatsiahivan’izy ireo fa zo fototra voalazan’ny Lalàmpanore­nana ny fahalalahan’ny tsirairay maneho hevitra anatin’ny fanajana ny lalàna. “Hamafi­sinay ny tokony hanajana izany”, hoy ihany izy ireo.
Etsy andaniny, maneho ny fahavononany hatrany hi­fampidinika sy hifanolo tanana amin’ny mpitondra, sy ny hery velona rehetra, ny amin’ny ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiaraha-monina ny FFKM, araka ny fanambarana. Nampirisika ny rehetra koa izy ireo mba hijoro ho va­volombelon’ny fifankatiavana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra. “Aoka ha­tsa­hatra ny fifampihantsiana sa­mihafa. Aoka tsy hamono eritreritra amin’ny zavatra mi­tran­ga sy miseho fa samy hijoro hanatanteraka izay andraikiny avy”, hoy izy ireo.
Marihina fa handray ny fi­tarihana ny FFKM amin’ity taona ity ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, eo anivon’ny fiangonana katolika, raha efa nahavita izany ny filohan’ny FLM, ny Dr Rakotozafy Denis, ho an’ny taona 2024.

Synèse R.

Partager sur: