Nahita marimaritra iraisana ny fitondrana malagasy sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Hidina ny vidin-tsolika manomboka anio: lasa 5700 Ar ny lasantsy, 4760 Ar ny gazoala.
Tsy araka ny fahita hatramin’izay! Rehefa hatao ny fandalinana rehetra, azo tanterahina tokoa ny mampidina ny vidin-tsolika, na eo aza ny fidangan’ny vidim-piainana. Hanamarinana izany, nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana, fa hahena 140 Ar isaky ny litatra ny vidin’ ny gazoala (izay tena be mpampiasa) sy ny lasantsy
(-200 Ar/l), manomboka anio sabotsy 18 janoary 2025. Lasa 4 760 Ar/l ny vidin’ny gazoala, raha 4 900 Ar teo aloha. Ho 5 700 Ar/l ny lasantsy, raha 5900 Ar/l teo aloha.
Nanazava ny tomponandraikitry ny Ofisy misahana ny vokatra ara-tsolika eto Madagasikara (OMH), fa azo atao tsara ny mampidina ny vidin-tsolika, rehefa feno ny fepetra mifandraika amin’izany. Tsy voatery hiaka-bidy foana, fa arakaraka ny fiovaovany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Porofon’izany ny zava-miseho ankehitriny: nampidinina ny vidiny eto amintsika.
Hisitrahana ny Fec sy ny FRC
Maromaro ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola mahazatra, ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ahafahana misitraka ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Famatsiambola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (FRC).
Anisan’izany ny fampiharana tsikelikely ny tena vidin-tsolika mifanaraka amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mifanindran-dalana amin’izay anefa, tsy manentsina ny elanelam-bidy intsony ny fanjakana. Ankoatra izay, ny fampihenana na tsy fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana ny Jirama intsony. Mandalo eto amintsika rahateo ny iraky ny FMI, manombana ny fanatanterahana ny fepetra samihafa nifanarahana. Tafiditra anatin’izany ireo voalaza ireo.
Marihina fa anisan’ny niady mafy sy nitarika ny fifampiraharahana ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry. Vitan’ny fitondram-panjakana, araka izany, ny nandray fepetra, tsy miantraika loatra any amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ankapobeny, sady hisitrahana ny Fec sy ny FRC.
Njaka Andriantefiarinesy