Nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) etsy Anosy, omaly, ny maha ben’ny Tanànan’Antananarivo an-dRamanantsoa Harilala. Nahazo 43,24 % tamin’ny vato manankery izy.
Tsy nanova ny voka-pifidianana nibatan’ny kandidàn’ny Irmar fandresena ny nanafoanan’ny Taf ny vokatra tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 40 noho ny tsy fitovian’ny isa tamin’ireo taratasin-datsabato (PV). Teo koa ny fitankosenan’ny soratra ka tsy nahafahan’ny mpitsara naka fanapahan-kevitra. Anisan’ny voka-pifidianana nofoanana ny tetsy Ambohidahy sy ny teny amin’ny birao fandatsaham-bato eny Ambohitsoa, Nanisana, Ivandry, Anosizato, Manakambahiny, Ambohimitsimbina, Anosipatrana…
Efa nialohavan’ny fandavan’ny Taf ny fitorian’ireo kandidà efatra izao fandresena azony izao.
Na izany aza, nahazo ny salanisa ambony indrindra, 43, 24% Ramanantsoa Harilala ka nahatafidirany mpanolotsaina miisa 23 amin’ny 55 eo anivon’ny filankevitra monisipaly. Arahin’ny Tim, manana 20. Fito kosa ny mpanolotsaina avy amin’ny Tia Tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Miisa 3 ny an’ny Mouvement Gascar ary iray avy kosa ny mahaleo tena, Iarivo Mandroso, an’i Ndriana Razanamasy sy ny RTM, Randriamampionona Joseph Martin.
Tsy nipoitra
Tsiahivina fa niatrika izany lanonam-pitsarana izany Ramanantsoa Harilala sy ireo mpomba ny fitondrana raha tsy tazana kosa ireo kandidà miisa enina, nirotsaka teto an-dRenivohitra. Tonga marobe ireo kandidà na ny mpomba azy avy any amin’ny faritra Vakinankaratra, Bongolava, Itasy…
Ankoatra izany, niatrana teny an-toerana ny mpitandro filaminana toy ny eo anivon’ny zandary sy ny polisy. Nanara-maso sy nandamina ny fifamezivezena teny amin’ny manodidina an’Anosy.
Synese R.