Nahazo famatsiana avy amin’ny Unesco: tanora 5 000 hofanin’ny ONG HDA momba ny tambajotran-tserasera

ONG telo miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny Unesco no nahazo famatsiam-bola mifototra amin’ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fampiofanana ary ny kolontsaina eto Madagasikara. Anisan’izany ny fanofanana tanora 5 000 momba ny tambajotran-tserasera.

Dimy ny tetikasan’i Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Unesco, tafiditra amin’ny Biennium 2024-2025, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Unesco sy ny ONG hisahana ny asa. “Hatomboka avy hatrany ny fanatontosana ny asa amin’ity volana ity”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Commission nationale malgache pour l’Unesco, Ravelojaona Manda, tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Fiaraha-miasan’ny Unesco sy ny Firenena mikambana ao anatiny izany. Mampiavaka ny famatsiam-bola ho an’ity taom-piasana ity ny fiaraha-miasa amin’ny firenena dimy aty afrika atsinanana. I Madagasikara no nametraka ny tetikasa fa ireo firenena dimy ireo dia manatanteraka izany avokoa.
Maro ny asa mifototra amin’ny fandaharanasan’ny Unesco efa nisy teto amintsika. Efa namoaka boky “référence du métier” ho an’ny mpiofana, mpianatra teto Madagasikara izy ireo ka hisy tetikasa iray mifanaraka amin’izay. Hanampy ny mpianatra mankany amin’ilay asa voafaritra ao amin’ny boky référence tsy mbola be mpisafidy izany, nefa tena ilain’ny firenena. Eo koa ny fanohanana ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa sy fahatelo hizotra amin’ny asa tiany hatao any aoriana.
Tetikasa iandraiketan’ny ONG Human Development Action (HDA) ny hanofana tanora 5 000 hifehy ny fampiasana ny tambajotran-tserasera amin’ny tena ilana azy. Matetika lasa fialamboly sy kilalao no hikirakirana ny tambajotra nefa mety ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Tokony hitondra fampandrosoana ny fampiasana azy ka ny tanora sy ny vehivavy no tena iantefan’ny tetikasa. Hampianarina azy ireo ny fandrafetana ny lahatsoratra aparitaka. Misy fepetra ny serasera nefa maro ireo mikirakira ny tambajotra sosialy tsy mahafehy izany akory. Manodidina 20 000 dolara isaky ny tetikasa ny sora-bola iasana ka ho an’ny ONG HAD, Analamanga, Mahajanga, Toamasina no hanofanana satria amin’ireo no be tanora mikirakira ny tambajotra sosialy amin’izao fotoana izao.
Natao teny Anosy ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa ho an’ny tetikasa dimy hisitraka ny famatsiana.

Vonjy

Partager sur: