Mivoatra hatrany ny asan-jiolahy mpamaky trano ao Toamasina. Tsy tranohazo na varavaran-kazo intsony no vakian’ireo olon-dratsy fa mahasahy mamaky vavahady vy sy varavaram-by mihitsy ireo jiolahy. Tsy re tsaika ihany koa ry zalahy rehefa miditra ao an-trano. Tranovato sy vavahady vy miaraka amin’ny varavaram-by no nidiran’ny jiolahy ny alarobia alina teo. Tsy nisy naratra ny olona tao an-trano fa najifa tanteraka ny entana lafovidy maro tao an-trano. Toy ny fitaovan-dakozia, vilany, vary fotsy anaty daba sy tanaty gony miisa 10 kitapo, fahitalavitra fisaka lehibe, finday avo lenta miisa dimy, lamba anaty sakaosy, vola tanaty poketra. “Tena tsy nisy zavatra henonay fa tokony tamin’ny 4 ora maraina, nifoha hipipy aho. Jereko toa mazava tampoka tao an-trano sady mahatazana eny an-tokotany avy hatrany aho », hoy ny fanazavan’ny tompon-trano. Hay ny varavarana nopitsohin’ireo jiolahy teo amin’ny fitoerany. Nivoaka ny tompon-trano vao nahita fa vaky koa ny vavahady. Nahitana diana kodiaran’ny fiara teo ivelany. Nitondra fiara mihitsy ireo jiolahy nandritra ny vaky trano. Manahy ny tompon-trano fa mety nitondra fanafody fampatoriana ireo olon-dratsy ka antony tsy nahenoan’izy ireo ny fidiran-dry zalahy tao an-trano. Mandeha ny fikarohana sy ny fandihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity.
Sajo/J.C