Telo lahy nitam-basy tetsy Bekiraro: tompona Cash point  voaroba 4 tapitrisa Ar

Mpanao Cash point hanokatra tsena, narahina telo lahy mitam-piadiana teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, omaly maraina. Voaambana basy izy ka voaroba ny vola 4 tapitrisa Ar.

Manjaka ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra. Mpanao Cash point nivoaka maraina ny trano fonenany hamonjy ny toeram-piasany no lasibatra tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro, Isotry, omaly maraina. Narahina bandy telo lahy izy. Nitondra antsy lavalela ny roa lahy tamin’ireo olon-dratsy ary basy ny iray. Tsy afa-nandositra, voasakana io raim-pianakaviana io. Nambanan’ireo tsy valahara basy avy hatrany. Noterena hanome ny sakaosy nisy ny vola sy ny finday rehetra teny aminy izy. Natahotra ny ainy, tsy nanda fa nanome ny kitapo io lasibatra io. Lelavola mitetina 4 000 000 Ar niampy finday fampiasany amin’io asa io no lasan’ireo tsy valahara. Mbola nisy vola koa anatin’ireo finday ireo. Nitsoaka ireo telo lahy taorian’ny nahazoany ny vola.

Manjaka ny mpanao ratsy

Manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana hanamafy ny fisafoana ny tanàna voasokajy ho faritra mena, ny mponina eny an-toerana. Tsy nisy fantatr’ilay lasibatra teo amin’ny tetezan’i Bekiraro ireo olona nandroba azy. Name­traka fitoriana eny anivon’ny polisim-pirenena izy manoloana izao tranga izao. Vao afakomaly, lelavola 4 tapitrisa Ar koa, namonoan’ireo olon-dratsy ny mpamilin’ilay karana vavy voatafika teo Ambo­divona amin’ny andro atoandro. Aiza ho aiza, araka izany, ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana manoloana izao tsy fandriampahalemana saika ho isan’andro eto an-dRenivohitra izao.

Tsiferana R.

Partager sur: