“Tsy maharaka ny filana ny hazandrano drakaka eto Madagasikara raha oharina amin’ny tinady maneran-tany”, hoy ny minisitry ny Jono sy toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, ho an’ny taona 2024. Manodidina ny 4 250 taonina (t) ny drakaka naondrantsika izay tokony hampitomboina hamaliana ny tsena iraisam-pirenena. Paikadin’ny minisitera hanatrarana izany ny fampiharana ny teknika fiompiana drakaka matihanina sy manaraka ny toetrandro. Izany hoe, azo hohanina manontolo ny drakaka eo amin’ny faharoan’ny volany. Hanolo tanana hizara ireo teknika sy traikefa hanatanterahina izany ireo teratany filipianina sy vietnamiana ary ireo mpiara-miombon’antoka mampihatra ity paikady ity. Tanjona ny hamokarana drakaka hatrany amin’ny 8 000 t isan-taona. Fanamby napetraka ny hahazo 30 000 t ao anatin’ny fenitra manaja ny tontolo iainana.
Tetikasa
Hanatanterahana ny tetikasa ireo toerana misy ny ala honko izay tena ahitana ny drakaka. Anisan’ireo mpandray ny vokatra avy eto Madagasikara ny amerikanina, ny japoney ary ireo firenena aziatika.
Ankoatra izay, hatsangana ny “École de pêche” ao Faux Cap, hampiofanana ireo mpanjono mba ho lasa matihanina. Maherin’ny 26 000 t ny vokatra naondrantsika izay nampidi-bola 731 miliara Ar, ny taona 2024. Hanomboka hamokatra trondro ihany koa ireo ivontoerana fiompiana trondro na Zone d’émergence piscicole (ZEP).
Henintsoa Hani