Variana nilalao: ankizilahy iray maty nianjeran’ny parpaing

Maty tsy tra-drano nianjeran’ny parpaing ny ankizilahy iray nilalao teo an-tokotany tao amin’ny fokontany Dépôt fahefatra parisela 21/34, ny alakamisy maraina teo. Nila­tsaka tampoka ny parpaing nipetraka tao ambony tafon-trano hiarovana fanitso amin’ny rivodoza. Vokany, maty tsy tra-drano ilay ankizilahy 11 taona niharam-boina. Renim-pianakaviana sahirana mamelon-janaka irery satria vao iray volana nifindrana tao amin’io trano nipetrahany io no renin’ity ankizy ity. Loza tampoka anefa no niseho teo amin’izy mianaka. Niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonjena ilay niharam-boina ny olona teo an-tanàna. Nampiasa ny fahaizany koa ny mpitsabo tao amin’ny Hopitalibe Toamasina saingy tsy avotra intsony ny ainy. Vokany, nindaosin’ny fahafatesana ilay ankizilahy. Sahirana tanteraka ny reniny manoloana ny voina nihatra ka ireo mpiara-monina tonga teny amin’ny hopitaly no nifanome tanana tamin’ny vidim-panafody. Tsy vitan’izay fa mbola ny fiarahamonina koa no nisahana ny fikarakarana ny razana. Maro ireo olona teo amin’ny fiarahamonina milaza fa tsy azo atao ny mampiakatra vato na biriky ambony hiarovana fanitso. Mora entin’ny rivotra ireny fa kitapo fenoina fasika ihany no tokony hatao mba hisorohana ny loza toy izao.

Sajo/J.C

Partager sur: