Fifaninanana iraisam-pirenena 6 no miandry ny Ankoay, eo amin’ny sehatra afrikanina sy maneran-tany, mety handraisan’i Madagasikara anjara avokoa. Voalohany, ny dingana farany amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny “Afrobasket 2025”, sokajy Seniors, lehilahy. Hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 21 hatramin’ ny 23 febroary izao. Aorian’ izay, hisy ny “Champions Cup 3×3” , sokajy Seniors, lahy sy vavy, hatao any Bangkok Thailande, ny 14 hatramin’ny 16 Marsa. Nahazo ny tapakila hiatrehina ny fiadiana ny amboara maneran-tany 3×3 hatao any Mongolie ny Ankoay, lahy sy vavy, rehefa voahosotra ho tompondaka tamin’ny “Africa Cup 3×3” natao teto Madagasikara farany teo. Ny volana jolay sy aogositra, hahitana ny “Afrobasket U16”, lahy sy vavy ary ny dingana farany amin’ny “Afrobasket Seniors”, lahy sy vavy hatao any Angola. Hiatrika io fifaninanana farany io ny Ankoay, lehilahy, raha toa ka mahazo ny tapakila ny volana febroary izao. Hatao eto Madagasikara, amin’ity taona ity, ny “Africa Cup 3×3”, lahy sy vavy, ny 27 hatramin’ny 30 novambra.
Mi.Raz