Besarety : Diovina ny tatatra hampihenana ny tondradrano

Lalana be mpampiasa ny eny Besarety. Tsy azo andehanana anefa rehefa avy ny orana satria dibo-drano tanteraka. Diovina ny tatatra eny an-toerana hampihenana izany tondradrano izany.

Ifarimbonan’ny BNGRC sy ny Apipa ary ny SMA miaraka amin’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra ny fa­nadiovana ny lakandrano eny Besarety. Atao amin’ny alina ny fanadiovana mba tsy hanelingelina ny fifamoivoizana.
Ireo mponina eny amin’ny fokontany ihany no naneho fahavononana hanao ny asa ka omena sakafo ho setrin’izany fandavantena izany.
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny asa ary haharitra 5 andro. Miitatra anefa izany raha toa ka tsy vita ara-potoana ny ezaka tiana hotratrarina.
Tanjon’ny fanadiovana ny tsy hisian’ny lalana dibo-drano intsony vao mirotsaka kely ny orana. Na tsy ho foana tanteraka aza ny rano mihandrona dia mba ho kely tsy handifotra fiara intsony izany, araka ny fanazavana.
Mampijaly ny mpampiasa lalana ny mandeha eny Besarety rehefa avy ny orana. Anatin’ny fotoana fohy monja, miakatra be ny rano. Toerana iva ivarinan’ny rano avy any Andravoahangy ambony rehetra sy any Rasalama ary avy any amin’ny hopitaly Homi iny ny eo Besarety. Mahery ny tosiky ny riaka rehefa avy ny orana ka vetivety foana dia difotry ny rano ny lalana.
Manampy trotraka ny hakelin’ny lakandrano mitondra ny rano any ambany lalana. Eo koa ny fahatsentsenan’izany vokatry ny fako arian’ny mponina eny amin’ny manodidina ka mivarina any an-tatatra.
Lalana be mpampiasa ny eny Besarety, indrindra ireo mitondra mankany amin’ny hopitaly Cenhosoa. Tsy azo aleha mihitsy anefa rehefa avy ny orana fa tsy maintsy mihodina lalan-kafa. Miteraka fahasahiranana ho an’ny mpampiasa lalana izany.
Mirefy 10 km ny lakandrano efa voadion’ny CUA tao anatin’izay ezaka hitsinjovana ny fahavaratra izay. Nitohy teny Ivandry ny asa fanadiovana taorian’ny teny Besarety.

Tatiana A

Partager sur: