Nanakoako indray tao amin’ny New Morning ao Paris, ny hira malagasy, ny sabotsy teo. Tonga maro nameno ny efitrano ireo mpiray tanindrazana any an-toerana, niara-nankalaza ny faha-15 taona an-tsehatr’i Erick Manana sy i Jenny. Seho nandrasan’ireo any Paris efa ela izy ity, ka tsy nahagaga raha nafana ny fotoana. Nampiavaka ny seho ary tsy nampitovy azy tamin’ny fanokafana taty Madagasikara ny firafitry ny mpitendry nanaraka an’i Erick Manana sy i Jenny. Nitondra aina vao ho an’ireo hira efa malaza mantsy ry Ralah Trio, tanora mpitendry efa kalaza ary niara-niketrika endri-tseho vaovao tamin’i Erick Manana. Na dia ny mozika jazz aza no nahafantarana sy manavanana an-dry Tsanta, Titan ary i Ranto. Nirindra tsara ny “Tambazako” sy ny “Izaho tsy maintsy mihira”, satria teo koa ry Pasy, Hery ary i Solofo Gaspira nampahatsiahy ny fototra teo amin’ny valiha, angorodao sy ny lokanga. Tsy nisy nodinganina ireo hira be mpankafy toa ny “Marary fa tsara”, “Voninkazo adaladala”, “Feom-baliha tokana”, “Zakeliny mama”, indrindra ireo tena naneho ilay fampiarahan-talenta nisy nandritra ny 15 taona teo amin’i Erick Manana sy i Jenny. Hitohy any Allemagne indray ny fankalazana, ny 1 febroary izao, miaraka amin-dry Ralah Trio hatrany.
Zo ny Aina