Hatao ny 23 sy ny 24 janoary ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny fanodinam-bokatra ara-pambolena. Handray anjara ao daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, hidinika ny zavatra manan-danja, ny fanamby hapetraka ary ny vahaolana horaisina. Tanjona ny hampitomboana sy ny hisian’ny fiantraikany tsara amin’ny famokarana eto amintsika. Hisy ny drafitrasam-pirenena havoaka aorian’ny fivoriana.
Mivelona amin’ny sehatry ny fambolena ny 80% ny malagasy. Avy amin’ny fambolena ny 26% ny Harin-karena faobe (PIB). Saingy kely ny tahan’ny vokatra, satria tsy ampy ny fitaovam-pamokarana mekanika, fa mbola fitaovam-pamokarana nentin-drazana no ampiasaina. Eo koa, ny fiovan’ ny toetr’andro, tsy ahafahan’ny firenena manana vokatra ampy sy mahaleo tena ara-tsakafo. Maro, ankehitriny, ny hetsika tohanan’ny fanjakana mivantana, sy ny fiarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, ny tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena. Mila hatsaraina sy zava-baovao anefa ireny ezaka ireny, mahatonga ity fikaonandoham-pirenena voalohany hatao ity.
Hanokatra ny fotoana ny filoha Rajoelina, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny sekretariam-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo ary ny fandaharanasa Fihariana.
Njaka A.