Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny Barea sy ny ekipa voafantin’i Vatovavy sy Fitovinany, ny sabotsy lasa teo, tany Manakara. Fandresena iray sy ady sahala tokana izany no vokatra azon’ny ekipa nasionaly malagasy, tamin’ity fanomanana ny Chan ity.
Vita izay ilay lalao roa, natao hanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tsy misy mpilaravinahitra, “Chan 2024”, ho an’ ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao voaray, omaly, avy any Manakara, rava sahala, 1 no ho 1, ny fifanandrinana teo amin’ny ekipa nasionaly malagasy sy ny mpilalao voafantin’i Vatovavy sy Fitovinany (V7V).
Niady tanteraka ny lalao, tsiahivina fa ny ekipan’i V7V no nanakobana ny harato voalohany, roa minitra nanombohan’ny fihaonana. Telo minitra taorian’io ihany nefa, nosahalain’i Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba, lohalaharana Barea indray ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nijanona tamin’io isa 1 no ho 1 io ny lalaon’ny ekipa roa tonta.
Ampahafantarina ihany fa nahazo “penalty” ny mpilalao avy ao Manakara, saingy azon’i Nina, mpiandry tsatobin’ny Barea izany.
Tamin’ireo lalao fitsapana roa natao, fandresena iray sy ady sahala iray no azon’ny ekipam-pirenena malagasy. Ampahatsiahivina ihany fa resin’ny Barea, 2 no ho 0, ny ekipan’i Matsiatra Ambony, ny alahady 12 janoary teo, tany Fianarantsoa. Tsara ny mampahafantatra fa nahemotra ny volana aogositra ho avy izao ny Chan, ary firenena telo no handray azy, anisan’izany i Kenya, Tanzania ary i Ouganda.
Araka ny fanazavana azo, mbola havaozina tanteraka ny fotodrafitrasa any amin’ireo firenena telo ireo, mba hahafahana mampiantrano ny fifaninanana amin’ny fomba miavaka.
Izay roa voalohany ihany …
Tontosa tao Kenyatta International Conventional Centre, Nairobi Kenya, ny alarobia lasa teo, ny antsapakan’ny “Chan 2024”. Ao amin’ny vondrona «B» no misy ny Barea de Madagascar. Miaraka amin’izy ireo ao, ny Les Fauves-Centrafrique, i Tanzanie, mpampiantrano, i Mauritanie ary i Burkina Faso. Miisa efatra moa ny vondrona amin’ity fifanintsanana ity, ka izay roa voalohany isan-tsokajy ihany no miakatra eo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana. Fanamby goavana ho an-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô ity Chan ity. Nandritra ny fifanintsanana ny taona 2022 ry zareo, nahazo medaly alimo.
Fitia Randria