Niova fandeha, voamarin’ny mpitsabo eo anivon’ny CHRR Farafangana fa niharan’ny fanolanana ny ankizivavy 9 taona, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy 16 janoary teo, tamin’ny 9 ora alina.
Nanatona ny ray aman-drenin’ny zaza ilay mpitandro filaminana fa mitady mpanampy hikarakara ao an-tokantranony. Mody nanadihady ny renin’ilay ankizivavy io lehilahy io raha toa ka mahay manadio sy mikarakara sakafo tsara ilay zaza. Nanamafy io reniny io fa mahavita manao raharaha an-tokantrano tsara ilay zanany. Nentin’io mpitandro filaminana io nanaraka azy, araka izany, ilay ankizivavy. Nanamparany ny filan-dratsiny anefa ity farany. “Nitomany aho fa notampenany ny vavako”, hoy ny fanazavan’ny lasibatra. Naterin’ilay tsy valahara teny anivon’ny fianakaviany io lasibatra io taorian’izay. Velon-taraina tamin’ny reniny ilay ankizy. Narary azy tanteraka ny fitombenany ary niova ny famindrany. Norahonan’ilay nahavanon-doza anefa ireo havan’io zazavavy io. Nentin’ny fianakaviany teny anivon’ny hopitaly CHRR Farafangana izy natao fizahana. Voamarin’ny mpitsabo fa niharan’ny herisetra ara-nofo tokoa io zaza 9 taona io. Simba tanteraka izy. Nametraka fitoriana ny ray aman-dreniny ary nandray an-tanana ity tranga ity ny solontenan’ny minisitry ny Mponina, amin’ny alalan’ny fitaleavam-paritra ao an-toerana.
Tsiferana R.