Hentitra hatrany amin’ny fanambarany. “Aoka isika hitandro hatrany ny fahamarinana, ny rariny sy ny fahitsiana… Aoka ho feno fahendrena sy tahotra an’Andriamanitra koa ny tenintsika satria Andriamanitra tsy loharanon’ny fikorontanana fa fiadanana”, hoy ny hafatry ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, tetsy amin’ny FLM 67 ha, omaly. Nohamafisiny ny tokony hijoroan’ny mpitondra amin’ny fahamarinana. Eo koa ny tokony hiainana izany. Mifankatiava sy mifanajà, araka ny fanambarana hatrany.
Etsy andaniny, notsiahivin’ny FFKM ny tokony hikajiana ny tontolo iainana noho ny voka-dratsy aterany. “Ilaina ny fanabeazana momba izany ary manentana antsika hijoro hitondra fanabeazana ialana amin’izany”, hoy ny hafatra.
Nialoha izany, niantso ny tokony hiainana ny tenin’Andriamanitra ny Mgr Raoelison Jean de Dieu tamin’ny toriteniny. Aoka koa hiaino ny feon’ny fieritreretana sy haneho ka hanamporofo ny batemy noraisina ary koa ny fandraisana andraikitra, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa notanterahina tamin’io fotoana io ny famindram-pitantanana eo anivon’ny FFKM ka nandraisan’ny Mgr Raoelison Jean de Dieu indray ny toeran’ny filoha, nisolo ny filohan’ny FLM, ny dokotera Rakotozafy Denis. Nandefa solontena kosa ny filohan’ny FJKM sy ny eo anivon’ny Anglikanina, noho ny fandaharam-potoana hafa, tsy azon’izy ireo nialana eo anivon’ny fiangonany. Nisolo tena ny filohan’ny Repoblika, ny ministry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin. Tonga teny an-toerana koa ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala sy ny avy amin’ny finoana silamo ary ireo mpanao politika, toa an’Andrianainarivelo Hajo sy Rakotovao Rivo ary Razanamahasoa Christine…
Synèse R.