INDRAY MIJERY

Misy faritr’andro ratsy arahi-maso akaiky ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, raha ny voalazan’ny Meteo Madagascar. Heverina ho hita soritra mazava izany amin’ny alarobia izao. Amin’ny ankapobeny, ho mora ny fiforonan’ny oram-baratra manerana ny Nosy. Tsy hisy fiovana misongadina kosa ny maripana.

Nanatanteraka fanadiovana niaraka tamin’ny mpamafa làlana, mpamonjy voina, polisy monisipaly, teny ambohijatovo, ny skoto zazavavy, Fanilon’i Madagasikara sy skoto zazalahy, Tily, ny faran’ny herinandro teo. Tarigetran’izy ireo ny fanaovana asa soa, fanompoana ny tanindrazana.

Hotanterahina ny zoma 31 janoary izao ny fambolen-kazo iarahan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka rehetra. Hatao eny amin’ny kaominina Masindray, distrikan’Avaradrano izany. Samy hanatanteraka izany avokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy.

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Paeb » teo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nitentina 114 245 596 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, izay niasa tamin’ny sahanasa 7. Vola 110 491 579 tapitrisa dolara kosa no nampiasaina tamin’izany. Fahombiazana no tsapa tamin’ireo asa vita.

Partager sur: