Mirotsaka an-tsehatra eny amin’ny Rond-point Alarobia ireo ekipa teknika maromaro nanadihady ny antony mahatonga ny fahasimban-dalana matetika eny an-toerana.
Hita, tamin’izany, fa misy lalan-drano voasakana ao anatin’ny faritra nanaovana ny asa teo aloha. Nampihandrona ny rano izany ka niteraka fahasimban-dalana indray.
Tsikarika koa fa tsy ampy sy tsy maharaka ny filàna eny an-toerana ny fotodrafitrasa fanalana rano maloto. Anisan ’ny antony miteraka fahasimban’ny lalana koa izany.
Nandray fepetra maika hanarenana ny lalana ny ekipa teknika. Natomboka niaraka tamin’izany koa ny asa fanadiovana sy fisokirana ireo lalan-drano iandraiketan’ny CUA.
Kasaina ho vita tanteraka anatin’ny fotoana fohy izany fanadiovana izany mba hahatonga ny tany ho maina haingana, alohan’ny hanamboarana ny lalana.
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo sahady koa ny fanamboarana ny lalana, hotanterahin’ny orinasa mpanatanteraka sy ny CUA. Hatao eo ambany fanaraha-mason’ ny MTP izany.
Nidina teny an-toerana mivantana ny avy amin’ny fitaleavana misahana ny Fotodrafitrasa ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Niaraka tamin’ny fitaleavam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Analamanga sy ny avy ao amin’ny faritra Analamanga ary ny CUA izy ireo, tamin’izany.
Tatiana A