Lesoka akana lesona

 

Tsy misy tsy manaiky amin’izao fa ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka. Tsy mitsaha-miakatra, ohatra, ny vidim-piainana tsy voafehy, mampanahy be ihany ny famokarana noho ny tsy fahampian-drano… Manginy fotsiny izay efa nisy sy niainana hatramin’izay: tsy fandriampahalemana, tsy fisian’asa… Amin’izany rehetra izany, manararaotra ny mpanao politika sasany amin’ny fitadiavana hirika ihetsehana: ranitina hidina an-dalambe ny vahoaka noho ny tsy fanekena valim-pifidianana ben’ny Tanàna, tairina ny fitondram-panjakana hiditra amin’ny hoe fifampidinihana…
Anamarinan-tena amin’izany lazaina sy kasaina ihany ny fahasahiranam-bahoaka, fa politika fotsiny izao ny ao ambadika? Tsy inona fa fakana fanjakana amin’ny fanakorontanana, fanozongozonana, fandravana… Ho azo amin’izany ve ny vahoaka ifotony? Na hahafaham-pahasahiranana ny fidinana an-dalambe, fanakorontanana; eny, na ny fifampidinihana aza. Eo mandrakariva ary tsy mbola mahafa-bela ny toe-tsaina amam-pomban’ny mpanao politika sasany: raha tsy ny tena no eo amin’ny fitondrana, tsy misy inona ho vanona na mandeha. Mba marina? Hambom-po politika no betsaka, valifaty politika…
Ho sasatry ny miarina eto raha izay hatrany no atao sy averimberina: fanakorontanana hitadiavana fifampidinihana ho amin’ny marimaritra iraisana hizarana toerana. Inona intsony no ilana sy anaovana fifidianana amin’izany? Ndeha hiara-mitondra amin’ny fitadiavana marimaritra iraisana lava izay tsy mitovy hevitra… Sasatry ny miarina fa ny olan’ny mpanao politika tsy mahazaka valim-pifidianana no vahana amin’izany, fa ny fahasahiranam-bahoaka mihalalina sy miha mitombo ihany. Hakana lesona ny lesoka teo aloha efa lasa ela? Na mila manova paikady amin’izay ny mpanao politika…

R. Nd.

Partager sur: