Tsy nitsanga-menatra ny Akomba de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, ho an’ny sokajy zandriny U14 sy 16, lahy sy vavy. Nitana ny laharana fahefatra ka tafiditra ao anatin’ny «Top 4» ny Malagasy, tamin’ity.
Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Windhoek Namibia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Fifaninanana natokana ho an’ireo sokajy zandriny, U14 sy U16, lahy sy vavy. Nahavita dingana goavana ny Akomba de Madagascar, satria tafiditra ao anatin’ireo firenena efatra voalohany «Top 4». Tsy nitsanga-menatra nanoloana ireo firenena goavana aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, araka izany, ireo mpilalao zandriny ary nampiseho fa manana ny toerany.
Raha tsiahivina, ny U14 lehilahy sy ny U16 vehivavy no hany nandraisan’i Madagasikara anjara, tamin’ity. Teo amin’ny zazalahy, lavon’i Botswana, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Malagasy teo amin’ny fiadiana ny medaly alimo. Razafindrazaka Ny Avo, niondrika teo anatrehan’i Tinashe Phatswane, tamin’ny seta 2 (0/6 ; 0/6). Tsy niady mihitsy ny fihaonan’izy mirahalahy fa nanantombo tamin’ny lafiny rehetra ny mpifanandrina ankilany. Ho an’ny lalao faharoa, resin’i Kgotso Kejakang, tamin’ny seta 2 no ho 0, Randimbison Manou (6/3 ; 6/0).
Teo amin’ny U16 vehivavy, namotsotra ny medaly alimo ihany koa ny Akomba. Resin’i Namibie, mpampiantrano tamin’ny isa 2 no ho 1. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta ny zoma lasa teo. Lasan-dry zareo ny fihaonana voalohany raha lavon’i Mari Van Schalkwyk tamin’ny seta 2 no ho 1 (7/5 ; 6/7 (4) ; 3/6), Andriamaniraka Soa Ainatia. Nosahalain-dRamanampanoharana Onintsoa izany teo amin’ny lalao faharoa. Resiny tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/3), i Natalia Tia Ouses. Nitohy ny sabotsy ny lalao ho an’olon-droa nahalalana izay ho mpandresy ka teo no raraka i Matei sy i Ainatia. Lavon’i Mari Van Schalkwyk sy i Natalia Tia Ouses, tamin’ny seta 2 no ho 1 (3/6 ; 7/6 ; 6/10).
Torcelin