Tontosa omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny “Tournoi” rugby lalaovina olona 7, lehilahy, karakarain’ny Malagasy Rugby. Voahosotra ho tompondaka ny Cosfa (Bebaoty) rehefa nandresy ny 3FAI/CRAI nitambatra. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa mazava, 12 no ho 7, ireto ekipan’Ambalavao Isotry ireto. Hita nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny hakingana ny miaramila tamin’ity.
Tsy resy mihitsy ny Cosfa nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Nandrombaka ny laharana fahatelo ny TFA rehefa nanilika ny STM tamin’ny isa, 26 no ho 19. Ekipa 9 nandray anjara tamin’ity dia ny Cosfa, ny TFA Anatihazo, ny 3FAI/CRAI, ny STM (Savony), ny US Ankadifotsy, ny Rezionaly 1, ny FTM Manjakaray, ny Rezionaly 2 ary ny CEA Andranomanalina. Niala an-daharana teo amin’ny ampahefa-dalana ny FTM Manjakaray. Tsiahivina fa fifaninanana hifantenana izay handrafitra ny Makis de Madagascar izy ity. Ny Makis izay handray anjara amin’ny “World series challenger 2025”. Fihaonana hotanterahina atsy Afrika Atsimo, ny 1 sy 2 marsa, ny dingana voalohany ary ny 7 sy 8 marsa, ny faharoa. Misy firenena 12 hifanintsana amin’izany, hiady ny tapakila handehanana manao “Circuit mondial 2025”, ho an’ny firenena 8 voalohany.
Marihina fa sambany ny Makis, lehilahy, vao handray anjara amin’izany fifaninanana izany. Ekipa vaovao ao anatin’ity fihaonana afrikanina ity izany ny Makis de Madagascar. Ny lalaon’ny Nosy no hany lalao iraisam-pirenena nandraisan’ny Makis anjara, raha ho an’ny baolina lavalava lalaovina olona 7.
Tompondaka