Maty tsy tra-drano ny tovolahy mpitrandraka harena ankibon’ny tany tao amin’ny kariera Bekapaika, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nihotsaka tampoka ny tany nanodidina ny lavaka ka tototra tao io lehilahy io.
Tsy nisaron-tava, lehilahy iray niditra an-keriny ka naka solosaina tao amin’ny trano fandrasaim-bahiny iray teny Ankadifotsy, ny 14 janoary lasa teo. Ankizy avy lavitra mandranto fianarana eto Antananarivo no nanofa ny efitra. Azon’ny camera tao amin’io toerana io avokoa ny fihetsik’ilay mpangalatra.
Lehilahy hita faty nivoa-dra ny lohany tao Mangarivotra Toamasina, afakomaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io olona io efa nitsirara tamin’ny tany. Ahina ho nisy namono izy.
Olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana manoloana ny fandoroana tanety tao Taolagnaro, ny faran’ny herinandro teo. Marihina nitrangana fahamaizana tany an-toerana ny zoma 17 janoary lasa teo, araka ny angom-baovao.