Tsena iraisam-pirenena: Tsy voatery hiakatra ny vidin-tsolika

Nitondra fanazavana ny fitondram-panjakana, mahakasika ny fidinan’ny vidin-tsolika, ny sabotsy lasa teo. Hampifa­narahina hifanahantsahana amin’ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny eto amintsika, nanomboka ny sabotsy 19 janoary teo. Tsy voatery hiaka-bidy fa afaka hampidinina ihany koa. Maro ny lafiny toekarena jerena, satria mavesatra loatra amin’ny kitapombolam-panjakana ny famenoana ara-bola ny elanelana. Ao anatin’ny fanatontosana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) rahateo izany.
Anisan’ny fepetra nifanarahan’i Madagasikara amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), voafaritra ao anatin’ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Fampindra­mam-bola hiatrehina maharitra ny fiovan’ny toetra’andro (FRD) izany.
Nitarika ny fotoana, nanazava ireo, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo(MEH), Jean Baptiste Olivier, ny talen’ny fifan­draisana ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, sady mpitondra tenin’ny filoha, Ranoromaro Hasinirina, ny talen’ny Ako­ranafo, Razafimamonjy Jinot ary ny Tale jeneraly mpisolo toerana ny OMH, Raveloson Cydolain.

Njaka A.

Partager sur: