Hampanofaina ho birao ny hotely Kintana 5 eny amin’ny CCI Ivato, na koa havadika ho toeram-pivarotana azo tsidihin’ny mpizahatany mandalo eto Madagasikara. Niaraka naorina tamin’ny efitrano fivoriana CCI Ivato ny hotely Kintana 5, saingy tsy nampidi-bola mihitsy. Nandaniana vola 15 tapitrisa dolara ny nananganana azy tamin’ny taona 2008, ahitana rihana 32.
Mitokona ny mpanao fanaka any Ambatondrazaka, mitaky ny hamoahana ireo hazo tsy ara-dalàna nogiazan’ny fanjakana. Mampahatsiahy ny minisiteran’ny Tontolo iainana fa misy ny lalàna mifehy ny fitrandrahana, ny fivarotana ny hazo eny am-potony, na voahodina (bois carré, batane, planche…). Tsiahivina fa tazonina vonjimaika any am-ponja ny olona 3, arahi-maso ara-pitsarana ny 3 ary nohafahana vonjimaika ny 10 tamin’ireo voarohirohy.
Vita ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana Amoron’Akona, By-Pass, notanterahin’ny orinasa Etec. Asa voalohany natao ny fanadiovana ny tatatra, nanesorana ny rano sy fanadiovana ny fivoahan’ny rano maloto. Niditra tamin’ny fandrakofana godirao avy eo, namerenana amin’ny laoniny ny lalana. Tsiahivina fa mitohy hatrany ny fanarenan-dalana eto an-dRenivohitra.