Tao anatin’ny 24 ora, ny sabotsy hifoha ny alahady, trangana vonoan’olona roa samy hafa no nitranga tao Toamasina renivohitra. Ny iray, tao Andranomadio 11/44, tsy lavitry ny tafo lanitra. Ny faharoa, tao Mangarivotra 11/47, tsy lavitry lalam-baovao mihazo ny Lapan’ny prefektiora Mangarano. Ny alahady maraina teo no nahitana ity razana faharoa ity. Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, taorian’ny nahavoatifitra ireo jiolahy roa tao Toamasina, somary nangingina aloha hatreto ny fanafihana mitam-piadiana. Izao mipoitra indray ny fahitana fatin’olona etsy sy eroa. Raha ny fitsirihana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, vonoan’olona niniana natao daholo no nahazo ireto olona hita faty ireto. Ho an’ilay hita tao Mangarano, raim-pianakaviana mpiasa mpibata entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Jiolahy telo nitondra hazobe misy fantsika no namono ity raim-pianakaviana ity satria nisy nahita ny fihetsik’ireo jiolahy nidaroka azy. Nitarika ny fahafatesana izany. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha fahitana fatin’olona ity.
Sajo/J.C