Nidona tamin’ny andrin-jiro, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra moto teny Ambohipo, afakomaly.
Nivoa-dra ny sofin’ilay lehilahy nitondra moto ka nitarika tamin’ny famoizany aina, teo Ambohipo, ny alin’ny alahady teo, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nitaingina kodiarandroa, nandeha mafy ity lehilahy ity ka nifatratra tampoka tamin’ny andrin-jiro teo amin’ny lalan’ny “3 chémins”. Nianjera tamin’ny tany avy hatrany izy rehefa nidona mafy ilay moto. Tsy nahitana ratra ivelany anefa ny vatany tamin’io fotoana io. Nivoaka ra ny sofiny roa. Nanao izay ho afany nanarina azy ho tonga saina ireo nanatri-maso ny loza. Niezaka nanao ny fomba famelomana olona tsy mahatsiaro tena ireo namany hafa. Nikoropaka nitondra azy teny anivon’ny hopitaly ireo fianakaviany. Araka ny loharanom-baovao voaray tamin’ny fianakaviana akaiky azy, tsy tana intsony ny ain’io lehilahy io teny an-dalana hihazo ny toeram-pitsaboana.
Tsy fanarahan-dalàna
Anisan’ny fitaovam-pitaterana iharan-doza tato ho ato, ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny kodiarandroa misy motera. Faharatrarana goavana ary matetika miafara amin’ny fahafatesana hatrany no mahazo ireo lasibatra. Nanamafy izany rahateo ny antontanisa navoakan’ny polisim-pirenana farany teo. Mahatonga io tranga io, matetika, ny fihoaram-pefy amin’ny hafainganam-pandeha. ny fisongonana amin’ny ilany havanana miampy tsy fanaovana aro-loha ataon’ny mpitondra moto. Nanamafy ny mpitandro filaminana, mila malina hatrany ny mpampiasa lalana ary tokony hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hisorohana ny loza tahak’ity niseho tetsy Ambohipo ity.
Tsiferana R.