“Miaro ny vahoaka sy ny andrimpanjakana ny miaramila. Arovany izay fitondrana eo amin’ny maha fanjakana azy, fa tsy amin’ny sehatra politika. Fa tsy ampiasaina hanao politika ny miaramila”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean Jacques, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, momba ny teny nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona mahabe resaka eo amin’ny tontolo politika tato ho ato. Hevitra diso ny fampiasana ny miaramila amin’ny politika, ary tsy mifanaraka amin’ny demokrasia. Tsy miaramila izy sady tsy hanome lesona ny miaramila. Fa amin’ny maha mpanao politika azy: tsy izy no ataon’ny jeneraly filohan’ny Antenimierandoholona, araka ny nambarany. Efa misatroka ny satroky ny mpanao politika izy, satria lehibena andrimpanjakana eto amin’ny firenena ary parlemantera. Ny dikan’izay: mpanao politika. Eo amin’ny sehatra politika no mifampitana, fa tsy resaka hoe ny mpanao politika hifampitana amin’ny miaramila.
R. Nd.